Fanafihana fiara sy mpanangom-bokatra

Dahalo iray lavo tao Tsiroanomandidy


  • Alakamisy 13 Febroary 2025

Nandao ny tany afak’omaly Talata 11 Febroary alina i Tafitabe ilay jiolahy mpampihorohoro ny

mponina hatramin’ny ela sy mpanakana fiara vaventy mpanangom-bokatra any amin’iny lalana Tsiroanomandidy, Belobaka sy Miandrarivo iny. Zandary iray fiara tsy mataho-dalana 4x4 nanao fisafoana andro aman’alina no nifanehitra taminy sy ireo namany miisa 3 notarihin’ny Lietnà Kaomandy lefitra fahatelon'ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Tsiroanomandidy. Tao amin'ny kizo Antsahatanteraka . Fokontany Ambohijangory, kaominina ambanivohitr’i Tsiroanomandidy Fihaonana izy ireo no nifandona. Ireo dahalo indray moa no nampitahotra ny zandary tamin’io fotoana io hoy ny vaovao no sady nitifitra. Mba namaly bontana koa ny ankilany antony nahalavo an’i Tafitabe. Vaky nandositra kosa ireo 3 ambiny izay mbola hifampitadiavana.
Pati
Legende : Feno ny saran-dalan’i Tafitabe mankany ankoatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT