Fandriampahalemana

Fanafihana eny Ampasika, Cenam, Ankasina


  • Alarobia 24 Mey 2023

Maty voatifitra i Dadandry na RaNationale

Olona 5 isan’andro raha kely no fantatra fa voaendaka sy very fananana eny amin’iny faritra Ampasika, Cenam ary Ankasina iny. Misy mihitsy ireo maratran’ny sabatra vokatry ny habibian’ireo mpanendaka. Anisan’ny mitarika azy ireny i Dadandry na RaNationale. Sendra ireo polisy manao fanamiana sivily anefa ity farany izay marihina fa niaraka tamin’ny basy mihitsy . Vokany , tsy tana ny ain’i Dadandry.Tsy tanteraka ihany koa ny asa ratsy saika nataon'izy sy ny ekipany. Nandositra avokoa mantsy ireo namany rehefa nahita azy nitsirara tamin'ny tany nihosin-dra. Tsiahivina moa fa efa mpamerin-kelona ity jiolahy tratra ity. Nitondra faisana avokoa ireo olona tratrany noho izy mitondra fitaovam-piadiana ary tsy matahotra mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Nihena iray ireo jiolahy mpamono olona eto amintsika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT