Fanafihana eny amin’ny RN4

Jiolahy 3 lavon’ny zandary


  • Talata 09 Janoary 2024

Nihampatrapatra ny faty tany amin’ny RN4 ny faran’ny herinandro lasa teo.

Dahalo mpanakan-dalana 3 no indray lavon’ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Ambato Boeny ny alin’ny 6 janoary teo Ambalakida-Andranofasika. Manoloana ny fitarainan’ny mpampiasa lalana amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny, dia nanao vela-pandrika ny zandarimaria, ka ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ambato Boeny, izay notarihan’ny lefitra faharoan'ny komandin'ny Tobim-paritra, no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nanaiky lembenana ireo olon-dratsy, ka raikitra ny fifandonana, izay nahalavo ireo dahalo telo lahy. Efa tafaverina amin’ny tompony ny entana voaroba. Ireto dahalo ireto no tompon'antoka tamin'ilay fanafihana fiara teo Andranofasika ny 21 desambra 2023 teo, mbola izy ireo ihany koa no nanao fanafihana ny 29 desambra 2023 teo Befotoana kaominina Marosakoa, raha ny fanamarihan’ny mpitandro ny filaminana. « Mitohy ny asa, tsy milavo lefona ny zandary mba ho fampandriana fahalemana ny lalam-pirenena faha-4 sy faha-6. Hamporisohina hatrany ny fanomezan-tanana avy amin'ny fokonolona eny ifotony amin' ny fiambenana sy avy amin'ny mpampiasa lalana amin'ny fanarahana lamina », hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT