Fandriampahalemana

Fanafihana Cashpoint teny amin'ny 67 Ha Lehilahy roa nalefa eny Tsiafahy


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP4 Isotry sy ny Sampan-draharahan’ny Polisy Misahana ny ady heloka bevava sakelika faha-4, ny alakamisy faha 19 martsa teo noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana.

Ny faha 30 janoary 2020 teo tokony ho tamin’ny 11 ora sasany alina dia nisy fanafihana mitam-piadiana nataona jiolahy maromaro tsy nisaron-tava nitranga teo amin’ny 67ha. Cash point iray teny an-toerana moa no lasibatra tamin’izany ary vola 7.000.000 ariary sy finday maromaro no very tamin’izany. Nitondra basy PA iray sy antsy lava ireo jiolahy tamin’izany. Manoloana izany dia nanao fanadihadiana avy hatrany ny Polisy, ka fantatra fa olona 3 no nanao ny fanafihana. Ny alakamisy faha 19 martsa teo dia nahazo vaovao ny Polisy mahakasika ireo jiolahy ireo ka dia voasambotra teo Andavamamba ny 2 lahy tokony ho tamin’ny 11 ora sasany atoandro. Rehefa nosavaina izy ireo dia nahatrarana antsy lava iray. Nohamafisin’ny mpitory moa fa izy 2 lahy ireo dia anisan’ny nanafika azy. Rehefa nosavaina ihany koa ny trano fonenan’izy roa lahy dia mbola hita tao ny akanjo nanaovan’izy ireo nandritra ny fanafihana. Niaiky ny helony izy ireo nandritra ny fanadihadiana azy ary nanondro ny namany iray hafa izay manana sy nampiasa ilay basy. Mbola mitohy ny fikarohana ity farany ankehitriny. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy 2 lahy ireto rehefa avy nandalo fampanoavana ny alatsinainy teo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT