Fanafihana cash point teny

Andraharo Lasa ny vola tao anaty


  • Alakamisy 21 Mey 2026

sakaosy, 2 voasambotra

Mpanao Cash Point iray no lasibatra fanafihan-jiolahy teo Andraharo akaikin’ny orinasa lehibe iray omaly maraina. Nambanan’ireo jiolahy miisa dimy mitondra moto tamin’ny basy sy antsy izy ary norobaina ny vola tao anaty sakaosy kely niaraka tamin’ny finday efatra. Rehefa azon’izy ireo izany dia nirifatra nitsoakaavokoa niaraka tamin'ny moto saingy nisy iray voasambotra rehefa raikitra ny sakoroka. Tonga haingana teny an-toerana ny polisy rehefa naharay antso fa misy andian-jiolahy miisa 05 mitondra moto manafika tompona cash point iray eo Andraharo izay handeha hamonjy ny toeram-piasana, nanambana tamin’ny fitaovam-piadiana, ary norobaina ny vola nentiny niaraka tamin’ny finday miisa 04. Niditra an-tsehatra ny avy amin'ny amin’ny Kaomisaria boriboritany faha enina etsy Ambohimanarina sy ny UIR Tsaralalana ka raikitra ny fanenjehana. Araka ny tatitra ofisialy , voasambotra tamin’izany ny roa, 23 taona sy 41 taona, mbola tratra teny amin’izy ireo ny basy poleta iray sy antsy iray, omaly maraina tokony ho tamin'ny 8ora sy sasany. Ireo namany telo kosa tafaporitsaka niaraka tamin’ny vola sy ny finday. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy ireo voasambotra hanaovana fanadihadiana. Mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy hahatratrarana ireo tafaporitsaka ary miantso ny vahoaka mba hanampy amin’ny fitorohana raha misy manam-baovao, miaraka amin’ny antoka fa ho tsiambaratelo tanteraka izany. Manamafy ny polisim-pirenena fa mijoro hiaro ny vahoaka ary tsy hamela mora foana ireo jiolahy hanjakazaka, sady mampitandrina ny rehetra mba ho mailo hatrany satria tsy kely lalana ireo mpanao ratsy. Na izany na tsy izany, mitaona ny rehetra ho mailo hatrany fa tsy kely lalana ireo mpanao ratsy, hoy ny hatrany ny polisim-pirenena.
Nangonin'i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT