Fandriampahalemana

Fanafihana cash point teny Alasora Mpanao ratsy efa raindahiny ireo jiolahy tratra


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Vokatry ny fikarohana sy vela-pandrika nataon'ny Polisy miampy fiaraha-miasa tamin'ny olona tsara sitrapo dia

voasambotra ireo jiolahy tompon'antoka tamin'ny fanafihana ny tompon'ilay cash point iray teny an-toerana izay monina eny Mahitsy Alasora. Raha araka ny fantatra dia jiolahy efa tompon'antoka tamin'ny fanafihana maromaro teny amin'ny faritra By-pass Alasora ireto jiolahy voasambotra ireto. Efa-dahy izy ireo izay marihina fa samy havanana amin’ny fanaovana asa ratsy avokoa. Miantso ireo olona voatafika na nanana olana teny amin’iny faritra By pass iny araka izany ny polisy ao Alasora tarihin’ny kaomisera Njaka mba hanatona azy ireo sao misy hifandraisany amin’ireto jiolahy ireto. Efa eny am-pelatanan’ny polisim-pirenena misahana ny ady heloka bevava etsy Anosy moa izy efa-dahy ireto hatramin’ny omaly.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT