Fandriampahalemana

Fanafihana cash point tao Tsiroanomandidy Tratra ilay jiolahy, tafaverina ny vola 3 tapitrisa Ar


  • Alatsinainy 19 Desambra 2022

Tsy mijanona eto an-drenivohitra intsony ireo mpanafika cash point amin’izao. Cash point iray no nisy nanafika ny 16 desambra teo tao Tanambao Mangarivotra, kaominina ambonivohitr’i Tsiroanomandidy.

Vehivavy iray handeha hanidy ilay cash point iray hiasany ary hamonjy fodiana no lasibatra tamin’izany. Lasan’ireo tsy mataho-tody ny zavatra rehetra teny an-tanany raha araka ny vaovao azo niaraka tamin’ ny vola mitentina 3.000.000 Ar. Naratra ilay vehivavy nandritra izany ka voatery noentina tany ami’ny hopitaly nanaraka fitsaboana.Taorian’ny fampandrenesana voarain’ny Polisy sy ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona dia raikitra ny fifanenjehana ka tratra tsy lavitra teo ihany ilay lehilahy nahavanon-doza. Mbola tratra teny aminy ny sakaosy izay nisy ireo finday miisa 12 niaraka tamin’ilay vola nandritra izany. Raha araka ny fantatra dia mipetraka any Andranomadio kaominina ambanivohitr’iTsiroanomandidy Fihaonana ity lehilahy ity. Efa tafaverina amin’ny tompony kosa ny vola sy ny entana rehetra.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana miaraka amin’ilay cash point notafihiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT