Fanafihana cash point tao Toliara

2 lavon’ny polisy, lasa ny 12 tapitrisa Ar


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Jiolahy miisa roa mirongo basy sy sabatra ary antsy avy nanafika cash point

no lavon'ny polisy ao avy ao Antaravay Toliara ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay fitarainana ny Polisin'ny PPA Antaravay miasa eo amin'ny barazy Antsokobory ny Zoma 19 Janoary tokony ho tamin'ny 06ora hariva fa misy vehivavy iray tompona cash point iray ao Anketa norobain'ny jiolahy telo mirongo basy sy sabatra ary antsy. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy nijery ny zava-misy ka raikitra ny fanenjehana ireo jiolahy telolahy. Nampitandrina azy ireo mba hijanona ny Polisy saingy nitifitra avy hatrany ireo jiolahy. Voatery nitifitra ihany koa ny Polisy noho izany. Vokany, lavo nandritra izany fifampitifirana izany ny jiolahy roa raha tafaporitsaka ny iray. Mbola hita teny amin'ireo jiolahy roa lavo ireo ny fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy iray sabatra iray ary antsy iray. Lasan'ilay iray tafaporitsaka kosa ny vola mitentina 12. 000. 000 Ar niampy finday miisa dimy sy portefeuille iray.
Pati
Legende : Nafatratra tao anatin’ny fiaran’ny polisy tahaka izao izy roalahy mpangalatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT