Fandriampahalemana

Fanafihana cash point Raim-pianakaviana iray no maty teny Ankadikely Ilafy


  • Alarobia 26 Oktobra 2022

Mirongatra indray ny fanafihana cash point eto amintsika. Cash point iray indray no lasibatra ny Alahady hariva teo teny Ankadikely,

Ilafy. Namoy ny ain-dehibeny tamin’izany ny Raim-pianakaviana iray raha naratra mafy notifirin’ireo ilay vadiny. Tohana mafy noho ity tranga ity ny Ben’ny tananan’Ankadikely Ilafy Rija Rajaonah. Nisy araka izany ny fiaraha-miory notanterahiny niaraka tamin’ny fianakavian’ny maty raha toraka izay ihany koa ny fampaherezana ilay Ramatoa naratra. Tsy nijanona teo ny hetsika raha araka ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety omaly. Hatramin’ny roa taona nitantanany ny kaominina mantsy dia fantatra fa nanao ho laharam-pahamehana ny resaka fanabeazana, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary ny resaka fahasalamana hatrany ny tenany. Ho an’ny fandriampahalemana manokana dia fantatra fa misy hatrany ny fanentanana hataony amin’ny isam-pokontany mba handraisan’ny mponina andraikitra indrindra fa ny andrimasom-pokonolona manoloana ny ady amin’ny asan-jiolahy. Nanentana ireo mpanao cash point rehetra ao Ankadikely Ilafy ihany koa ny tenany mba samy hanidy ny tsenany amin’ny 05 ora hariva hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao.
Pati
Legende : Ity ilay cash point nisy nanafika teny Ankadikely Ilafy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT