Fandriampahalemana

Fanafihana Cash point Nijininika ny rà omaly hariva tetsy amin’ny 67 ha


  • Alarobia 25 Mey 2022

Tsy matin’ireo jiolahy eto an-drenivohitra lolo mihitsy ireo mpanao cash point eto amintsika. Amin’ny ankapobeny mantsy dia heverin’izy ireny ho any amin’ireny olona ireny ny volabe maty nandritra ny tontolo andro sy ny renivola

 nampiasaina ka tena arahiny maso fatratra mihitsy. Raim-pianakaviana iray omaly hariva tokony ho tamin’ny 07 ora no nisy nitifitra teo akaikin’ny kianja fanaovana basket etsy amin’ny 67 ha. Raha araka ny fantatra dia irony mpanao cash point ity raim-pianakaviana ity. Norobain’ireo dahalo izy nandritra izany no sady notifiriny. In-telo nisesy ny tifitra nahazo azy raha araka ny fanazavan’ireo mpitandro ny filaminana tonga teny an-toerana ka ilay iray nahazo ny lohany. Tsy fantatra mazava moa fa avy any aloha ireo jiolahy na avy any aoriana no nitifitra azy. Efa maizina rahateo ny andro no sady niditra elakelan-trano ka nifampitady ny roa tonta. Niaina tao anaty tebiteby tanteraka ireo mponina eny an-toerana vokatr’izany. Nanakoako mantsy ny feom-basy nefa mbola betsaka ireo olona hamonjy fodiana. Mbola tsy fantatra mazava moa izay vola very hatreto raha efa nentina omaly hariva niazo ny hopitaly kosa ilay namoy ny ainy.
Nangonin’i
Pati Legende : Tahaka izao ny zava-nitranga teny amin’ny 67 ha omaly hariva
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT