Fandriampahalemana

Fanafihana Cash Point Lehilahy iray voatifitra teo amin'ny tendany


  • Sabotsy 16 Mey 2020

"Cash point" iray teny amin'ny faritra Nanisana iny no nisy nanafika omaly zoma 15 mey ka nahaverezana vola mitentina 1.900.000 Ar sy naharatràna olona iray.

  

 

 

Tokony ho tamin'ny 12 ora sasany atoandro no niditra tamin'ilay "Cash point" teo Nanisana Sapin ireto olon-dratsy miisa 02, tsy nisaron-tava ary nirongo basy. Nanapoaka basy in-droa avy hatrany ireto olon-dratsy ireto ary nanery ny tompon-toerana hanome azy ireo ny vola rehetra tao aminy. Rehefa azony avokoa ireo vola mitentina 1.900.000 Ar eo ho eo dia lasa nandositra izy ireo ary teo am-pandosirana dia mbola nanapoaka basy indray koa. Raha ny fitantaran'ny manodidina dia efa nisy lehilahy 02 hafa nitondra moto scooter niandry azy ireo tsy lavitra teo ka lasa nandositra niazo an'Ampasapito izy ireo. Ny iray tamin'ireo mpitondra moto moa no fantatra fa nisaron-tava. Manoloana izany dia tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisy avy ao amin'ny CSP8 Analamahitsy sy ny UIR. Efa misy ihany koa ny "Ratissage" izay hataon'ny kaomisaria rehetra eto an-drenivohitra entina hikarohana ireto olon-dratsy ireto. Lehilahy mpanjifa iray, tao amin'io "Cash point" io no naratra nandritra ny fanafihana, voatifitra teo amin'ny tendany ka efa nentina namonjy toeram-pitsaboana.

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT