Fandriampahalemana

Fanafihana cash-point, grossiste... Matin'ny polisy i Tovo Brown


  • Alatsinainy 18 Mey 2020

Roa andro taorian'ny fanafihana cash-point nisy tetsy Nanisana ny zoma 15 mey lasa teo dia lavon'ny balan'ny Polisy teny Ambohijanaka ny iray tamin'ireo

 

jiolahy nanao ilay fanafihana izay fantatra amin'ny anarana hoe "Tovo brown". Tao anatin'ny famotorana no nahalalana fa eny Ambohijanaka (Lohanosy) no misy ity jiolahy ity, ka nanaovan’ny polisy bemidina avy hatrany. Vao nahita ny mpitandro ny filaminana i Tovo brown dia nitifitra avy hatrany ka teo no nisy ny fifampitifirana teo aminy sy ny Polisy ary nitarika ny fahafatesany. Nomarihin’ny mpitandro filaminana fa isan'ireo jiolahy mpanao fanafihana mahery vaika eto an-drenivohitra i Tovo Brown ka isan’izany ny cash-point tetsy Ampasapito, Grossiste FOFIFA, famonoana olona tao anatin'ny fiara sprinter teny Malaza, fanafihana mitam-piadiana teny Ambohijanaka sy ireo fanafihana hafa nahavoatonona azy. Azo hatao avy hatrany ny miantso ny polisy raha misy ny toe-javatra ilàna izany maika, toy ny asan-jiolahy ka 034 05 517 21 ho an’ny USI Unite Speciale dIintervention; 034 05 998 90 ho an’ny UIR Unité d’Intervention Rapide, ary 034 05 517 22 ho an’ny SAG n any “Service Anti-Gang”.

Toky R sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT