Fandriampahalemana

Fanafihana andro atoandro Tovolahy iray maty voatsindron’antsy


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Tovolahy iray no maty voatsatoky ny antsy tao Antsirabe omaly alarobia 09 Septambra 2020.

 

 

 

Mpivarotra kojakojana finday avo lenta izy ary mianadahy izy ireo no miara-miasa ao amin’ny toeram-piasany. Tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any, raha ny tatitra azo dia nisy fiara nijanona tsy lavitry ny toeram-pivarotan’izy ireo, eo ampitan’ny banky BNI ary niditra toy ny hividy finday ny ampahany tamin’ireo lehilahy tao anaty fiara. Tampoka dia namoaka basy sy antsy ireo jiolahy ary nampandohalika azy mianadahy mpiasa tao, ary nangorona ny finday sy ny vola tao am-pivarotana. Raha ny voalaza dia nikasa hanohitra an’ilay nitazona antsy ilay tovolahy mbola tanora dia tanora, ka avy hatrany dia nasian’ireo jiolahy ny antsy teo amin’ny tendany ary nivoaka ireo jiolahy niaraka tamin’ny entana norobainy. Niantso vonjy ilay tovovavy mpiara-miasa taminy rehefa lasa ireo nolon-dratsy ary vetivety, ka tonga ny manodidina. Novonjena teny amin’ny Hopitaly Andranomadio ranamana fa tsy tana ny ainy. Raha ny fantatra dia namela mpitondra tena iray sy kamboty kely roa ilay tovolahy. Tsiahivina, fa efa maromaro ihany ny karazana fanafihana mitam-piadiana toa izao, tao Antsirabe raha tsy hilaza ny nitranga tamina orinasam-pifandraisana iray teo ampitan’ny kaominina Antsirabe, ny mpivarotra kojakojan-tokatrano tao Antsenakely, ary ny karana mpanefy firavaka iray, tsy lavitry ny katedraly.

\Caius R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT