Fandriampahalemana

Fanafihan-jiolahy teny Ampefiloha Olona iray no maty


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Nisy jiolahy miisa niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana nanafika ny trano fivarotam-panafody Miaro etsy Ampefiloha omaly tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva.

 

Niditra avy hatrany ireo olon-dratsy izay tsy misaron-tava raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso, sady nanao teny mahery izy ireo nandrahona niaraka tamin’ny basy no nandroba ireo mpividy fanafody mbola tavela tao sy nitady ihany koa ny toerana fitoeran’ny vola (coffer fort).Nandritra izany indrindra no voatifitra ary maty tsy tra-drano ny olona iray; izay raha araka ny re dia niezaka nanakana ireo jiolahy tsy haka ilay “coffre fort”.Nisahotaka ny teny amin’ny manodidina nahare ny poa-basy. Mbola tena maro olona mifamezivezy teny Ampefiloha tamin’io fotoana io ary azo ambara mihitsy aza fa tafiditra ao amin’ilay antsoina hoe : “heure de pointe”  fodian’ireo olona avy niasa, misy fiantsonana taksibe rahateo manakaiky ny toerana nitrangan’ny fanafihana.Efa tena sahy ary tsy matahotra na inona na inona intsony jiolahy…manahirana raha tahaka izao foana no  iainana eto..fa aiza ny mpitandro filaminana..izany no resaka re tamin’ny mpandalo teny an-toerana omaly.Tsara ho marihana fa toerana tena ahitana mpivarotra sy toeram-piasana maro eny Ampefiloha, misy banky sy trano fivarotana goavana.Fantatra moa fa efa eo am-pikarohana ireo jiolahy ny mpitandro filaminana .

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT