Fandriampahalemana

Fanafihan-dahalo tany Tritriva-Betafo Olona 2 no maty


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Efa isan’andro ny asan-dahalo ao Vakinankaratra sy ny manodidina raha tsy hilaza afa tsy ny ilany avaratry ny faritra Amoron’i Mainia, manasaraka ny faritra roa tonta iny.

 

 Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady 3 jolay 2017 lasa teo dia nitrangana fanafihan-dahalo indray ny tao amin’ny kaominina Tritriva, distrika Betafo. Tanàna kely 10 tafo teo atsimon’ny farihin’i Tritriva ity nisy nanafika ity. Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’Atoa Rasolomanana Edmond, monina ao dia tokony ho tamin’ny 10 sy sasany alina no tonga ireo dahalo izay tsy voafaritra mazava ny isany. Toy ny mahazatra dia tsoka kiririoka sy poa-basy arahina ompa variraraka no nataon’ireo dahalo. Tratry ny tapim-baravarana avokoa ireo trano rehetra raha ny fanazavany ihany ka tsy nisy sahy nivoaka ny mponina. Lehilahy iray 35 taona kosa no sahy nifanandrina tamin’ireo dahalo, izay nitsambikina avy teny an-davarangana. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta ka 3 ka hatramin’ny 5 minitra teo ny fifanjevoana dia nangina ny tanàna ary poa-basy in-telo no nifampitanan’izy ireo. Vaky bao nandositra ireo dahalo. Rehefa nangina ny tanàna dia notadiavina Raflôra, ilay sahy nivoaka, ka ny vatana mangatsiakany sisa no hitan’ny fokonolona voarasan’ny famaky ny handriny. Rehefa nizaha ny nanodidina ihany izy ireo dia nahita ra raraka nitaritarika nianatsimo ny nahitana ny fatin’ilay raim-pianakaviana ka teo no nahitana fatin-dahalo iray izay azo antoka fa voatifitra satria nisy lavaka be teo amin’ny tratrany nidiran’ny bala.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT