Fandriampahalemana

Fanafihan-dahalo tany Anahidrano Fokonolona 3 naratra, iray nisy namira tamin’ny antsy


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Nitrangana fanafihan-dahalo tao Antatatra, Kaominina Anahidrano, Distrikan' Antsohihy afak’omaly Alarobia 04 Aogositra nifoha omaly Alakamisy.

Vokatr’ilay fanafihana tao Antatatra niseho 27 jolay lasa teo no nahatonga no nahatonga izany. Nanao hetsika ho an'ny fandriampahalemana tany an-toerana mantsy ireo besaboha na fokonolona kinanjo zava-doza no niseho, raha araka ny vaovao azo. Efa ho dimy andro ny nanaovana fanarahan-dia tao Antatatra mantsy ireo Besaboha ireo. Fokontany maromaro no nandalovan'izy ireo tamin'izany ka tao Anjiamangirana Agnava no niangany, nandalo tao Marozama hatrany Maradabo ka rehefa nijanona tao Antatatra izy ireo dia sendra izao fanafihana izao.Nandritra ny fanafihana dia nisy ny voatifitra tamin' ny lohany, tamin' ny tratrany, ary tamin' ny feny. Nisy ihany koa ny voafira antsy teo amin' ny andilany (valahany). Samy efa nentina namonjy ny hopitaly avokoa moa ireo naratra raha araka ny fantatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT