Fandriampahalemana

Fanafihan-dahalo mahery vaika Zandary 1 sy miaramila 1 maty tao Vasiana Mandoto


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Nisehoana fanafihan-dahalo goavana tany Imolo any Anjeze Fokontany Beakanga Kaominina Vasiana any amin’ny Distrikan’i Mandoto ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, raha ny vaovao avy any an-toerana.

Dahalo an-jatony no voalaza fa nanao ny fanafihana, nangalatra omby hatrany amin’ny 50 isa. Tonga ara-potoana kosa ny mpitandro ny filaminana, nandeha ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy, nandeha ny fifandonana. T okony tamin’ny 12 atoandro no niseho ny fifampitifirana, saingy tsy naharesy tosika an’ireo dahalo ny mpanara-dia, hany ka nisy mpitandro filaminana lavo. Zandary iray sy miaramila kaporaly iray avy amin’ny Holafy faha-109 no namoy ny ainy, ary misy miaramila kaporaly iray hafa naratra mafy vokatry ny tifitra variraraka ka mila fandidiana, ary zandary iray ihany koa no voa mafy noho ny fianjerana. Nentina notsaboina eto Antananarivo ny mpitandro filaminana ireo, tonga ny 17 jona 2023 ary tsaboina eny amin’ny Hôpitaly CENHOSOA « Centre Hospitalier de Soavinandriana”. Miaramila kaporaly iray hafa mbola tsy hita popoka. Misy loharanom-baovao hafa milaza fa sivily iray ihany koa no namoy ny ainy, ary maromaro no naratra. Mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ireo dahalo satria raha ny tombatombana tao anatin’ny fifanandrinana, dia manana basy kalacknikov Mas36 tsy latsaky ny 4 izy ireo ankoatra ny basim-borona. Andrasana moa ny fivoarany! Roa taona lasa, ny 24 jona 2021 dia efa nisy fanafihana mahery vaika mitovitovy amin’io tao Anjeze, ka dahalo 13 no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana, ary omby 60 no tafaverina. Tonga mialoha teo Andranomainty fokontany Ambaravaranala Kaominina Anjoma-Ramartina ny zandary 10 lahy ary raikitra ny fifandonana tamin'ny 1 sasany tolak'andro, nifanjevo hatrany amin’ny kizo Besakay, Manarilefokely,… Tena tsy mandry fahalemana ny vahoaka any an-toerana, ary rehefa zohiana dia tena mihantsy ady amin’ny mpitandro filaminana mihitsy ireo malaso. Toa miharo valifaty nomanina an-taonany aza, ary rehefa jerena dia tao anaty vanim-potoana nitovitovy ny fanafihana. Ao anatin’ny fotoana akaiky fety dia miakatra ny filàna omby ve sa antony hafa mihitsy? Any amin’ny fanakanana hetsika politika sady ampy isa no ampy fitaovana ny mpitandro ny filaminana fa any amin’ny fanenjehana dahalo tratry ny be noho vitsy raha ampitahaina sy alaina sary an-tsaina ny tranga tany Mandoto sy ny sary tao Antsirabe ny faran’ny herinandro teo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT