Fandriampahalemana

Fanafihan-dahalo Lasibatra indray tany Ambatofinandrahana


  • Talata 05 Septambra 2017

Notafihin’ny dahalo 40 lahy mirongo basy mahery vaika tao Betabika, kaominina Fitampito distrikan’Ambatofinandrahana, omaly alahady 3 septrambra tamin’ny 5 ora maraina.



 Omby 200 no lasan’ny dahalo tamin’izany. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona nampian’ny zandary. Ora vitsy dia nifankatratra ny roa tonta. Nisy ny fifampitifirana. Dahalo telo no maty, iray tamin’ireo fokonolona naratra ary nentina namonjy hopitaly avy hatrany. Tafaverina ireo omby very. 13km any atsimo andrefan'ny renivohitr’i Fitampito no misy an'i Betabika, tanàna hany mbola ahitana omby betsaka. Nanome telo volana moa ny governemanta Mahafaly Olivier, hifehezana ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara, mikaikaika ny Vahoaka. Mbola hiandry an’izany ve manoloana izao asan-dahalo mampiteny ny moana izao ?

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT