Fanafihan-dahalo 60 lahy tao Tsaratanàna

«Ireo niharam-boina indray no gadraina sy vonoina!»


  • Talata 24 Jona 2025

Dahalo 60 lahy no nanafika tao amin’ny zana-bondrona Mandinisoa, fokontany Mandribe,

kaominina Manakana, fivondronana Tsaratanàna, hoy ny fampitàm-baovao voaray avy any an-toerana omaly. Isan’ny taizan’ilay maty tao ny vadiko, hoy ny ramatoa iray monina ao an-toerana, nefa izy indray izao no nogadraina. Matory amin’ny alina izahay, hoy izy, tsy maintsy any an-tsaha miaraka amin’ny zazakely nefa mbola tsy maintsy mikarakara an-drangahy any am-ponja. Isan’ny olona lasibatra nefa ilay nogadraina. Miangavy ny mpitondra fanjakàna, hoy ihany izy, mba handray fepetra manoloana ny zava-misy fa mijaly ny vahoaka. Lazain-drizareo fa izahay indray no nitory ireto iray kibo amin’ny dadanay ireto, hoy kosa ny fanazavàn’ny lehilahy iray. Nantsoina tao amin’ny tribonaly, hoy izy, mamanay. Natao fanadihadiana ireo 5 lahy tany amin’ny zandary hoe ianareo ve namatsy dahalo? Namaly moa ireo hoe isan’ny voatafika koa izahay. Nalefa nody ireo. Naverina indray afaka 2 andro satria nolazaina hoe nitsikombakomba tamin’ny dahalo ary miady lova amin’ilay notafihina. Lazaina fa izahay hatrany no nitory nefa izahay aza nanao taratasy hoe tsy mitazona ireto olona ireto izahay fa lasibatra toa anay ireo olona ireo. Mbola nisy olona nosamborina tao Mandriamena nefa mbola isan’ireo lasibatra koa. Ny fitondràm-panjakàna rehetra, ny manam-pahefàna rehetra ary ny filoham-pirenena mihitsy no angatahinay hijery akaiky izao toe-draharaha izao. Ireo niharam-boina indray no gadraina sy atao izay haha tapitra azy! Ny olona tena nanao ny ratsy avela miriaria fotsiny. Navadiky ry zareo indray ilay fitoriana izao hoe izaho zanaky ny dadanay ihany no nanarama ny fianakaviako hamono azy. Izaho anefa tamin’io fotoana io tany Mahajanga, hoy hatrany ity fianakavian’ny maty ity. Nandeha ny resaka hoe tsy havotsotra ireo olona ireo raha tsy manome 50 tapitrisa Ariary, hoy kosa i Jean Faly, raim-pianakaviana sy fianakavian’ny lasibatra, raha tonga nijoro vavolombelona teto Antananarivo. Farany teo dia hoe mila manome 2 tapitrisa mialohan’ny 22 jona fa raha tsy izany ho tifirina. Maty omaly ilay boay kely. Mangataka ny fitondràm-panjakàna ambony, indrindra, ny filoham-pirenena mba hijery izao zava-manjo anay izao. Tena mampalahelo ny zava-misy ao amin’iny faritra iny. Misy sivily, vehivavy sy lehilahy, izay tena fositra ary isan’ny nanafika saingy ny lasibatra indray no nogadraina. Resaka ady lova no tena fototra. Mahavita miray tsikombakomba amin’ny tomponandraiki-panjakàna mihitsy ilay madama haka an-keriny sy hisambotra ireo lasibatra ireo, hoy hatrany ny fanazavàn’ity raim-pianakaviana ity.
Nangonin’i J. Mirija
Légende : Ireo nijoro vavolombelona
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT