Fandriampahalemana

Fanafahana an’i Akil Cassam Chenai Nandoa 7 miliara ariary ny fianakaviany


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Ny alakamisy tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo no nalain’ny polisin’ny UIR tao Toamasina tao amin’ny Stadium Mangarano i Akil Cassam Chenai, taorian’ny famotsoran’ireo mpaka an-keriny azy tao amin’ity toerana ity raha avy niantso ny fianakaviany tamin’izao fahafahany izao.

 

 Araka ny vaovao nangonina izay tena sarotra ny naka azy dia mahatratra “fito miliara ariary” ny vola notakiana sy azon’ireto mpaka an-keriny azy ireto izay heverina araka ny angom-baovao hatrany dia natao ny alakamisy antoandro ny fandoavana izany, izay tena tsiambaratelo tanteraka teo amin’ny fianakaviany sy ireo mpaka an-keriny ka na ireo mpitandro ny filaminana aza tsy naharaka na inona na inona. Tao anatin’izao fanafahana an’i Akil izao anefa dia moto Scooter BW’s telo niaraka tamina mpaka an-keriny efatra samy nitondra basy no nitondra azy, izay mbola nihodinkodina eran’ny tampon-tanànan’i Toamasina teo amin’ny 30mn teo, vao nihazo an’i Stadium Mangarano nametrahana azy tao anatin’ny orambe sy kotro-baratra. Tao anatin’ny 13 andro nanagiazan’ireo mpaka an-keriny an’i Akil izay tao Toamasina renivohitra ihany tao anatin’izay fotoana rehetra izay, dia tsy marina ny filazan’ny mpitandro ny filaminana fa tsy nisy ny fifandraisana teo amin’ny fianakavian’i Akil sy ireo mpaka an-keriny ireto. Mazava ny fomba nandoavana ny vola ary raha nanao ny fanadiadiana lalina ny mpanao gazety dia fantatra fa im-pito nifandray tamin’ireo mpaka an-keriny ny havany izy ireo. Noho ny fahanginan’ny fianakavian’i Akil tao anatin’izay 13 andro nakan’olona an-keriny ny havany, dia nisy ny fihaonana nataon’ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina Lauret Thierry Rajaona sy ny solontenan’ny masoivoho frantsay eto Toamasina amin’ny maha manana zom-pirenena frantsay azy Christian Fuard, ary ireo mpitarika ny Emmo-Reg Atsinanana notarihan’ny Kly Ralaikoa. Tsy mbola nisy nipika anefa ny dinika niarahan’izy ireo nanao, saingy ny angom-baovao no nahalalana fa hamoaka fanambarana iombonana izy ireo izay tsy nisy aloha tamin’ny fotoana nandefasana ny vaovao. Andrasana ny fanambarana hataon’izy ireo ato ho ato.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT