Fandriampahalemana

Fanadinam-panjakana 515.081 ireo hiatrika ny CEPE, 305.836 ireo hanala BEPC


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Mitotaly 515. 081 ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2023 ity ka mpiadina miisa 99 amin'ireo no manana tsy fahatombanana ara-batana.

Ho an’Antananarivo dia miisa 169. 022 ireo mpiadina izay mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 572. Miisa 95. 573 kosa izany ho an’i Fianarntsoa ary mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 411. Ho an’i Toliara indray dia miisa 47. 310 ireo mpiadina mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 199. Miisa 66. 174 kosa ireo mpiadina ho an’ny faritanin’i Mahajanga mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 268. Ho an’Antsiranana indray dia mpiadina miisa 53. 740 no handray anjara amin’izany mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 169. Toraka izany koa ny ao Toamasina izay ahitana mpiadina miisa 83. 263, mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 376. Ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC kosa indray dia mpiadina miisa 305. 836 no hiatrika izany izay mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 9054 manerana ny Nosy ka ny mpiadina miisa 4 amin'ireo no tera-tany vahiny ary mpiadina miisa 47 kosa no manana tsy fahatombanana ara-batana. Mpiadina miisa 149. 956 no nisafidy ny sokajy A, raha toa ka mpiadina miisa 155.880 no nisafidy ny sokajy B.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT