Fandriampahalemana

Fampivoarana ny fiambenana ny fonja 20 miliara Ar ny fanampiana azon’i Madagasikara


  • Zoma 05 Jona 2020

Omaly 4 jona tetsy Antaninarenina no nanomezan’ny Masoivoho Frantsay ho amin’ny Fampandrosoana (AFD) ny famatsiam-bola mitentina 20 miliara Ar ho an’ny governemanta Malagasy.

 

 

 

Ny eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana no hisitraka izany ary tafiditra anatin’ny tetikasa hanohanana ny sehatra fiambenana ny fonja eto Madagasikara. Nosoniavina tetsy amin’ny ministeran’ny toekarena sy fitantanam-bola izany ary haharitra 5 taona ny fiaraha-miasa. Hizara roa mazava tsara io famatsiam-bola io, ka ny voalohany dia hanatontosana ny tetikasa novolavolain’ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena OSC ho tohana ny amin’ireo filàna ho amin’ny fitantanana ny fonja. Ny tapany faharoa kosa no hanaovana ny fanaraha-maso eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana izay hitsirihana mazava ny tetikasa sy ny drafitra rehetra.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT