Fandriampahalemana

Fampitaovana ny zandarimaria Manampy hatrany ny Frantsay


  • Talata 12 Desambra 2017

Natolotra teny amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary omaly ireo fitaovana hoenti-mampianatra an’ny sekolim-pirenena

Moramanga sy Ambositra avy amin’ny fanjakana frantsay ho an’ny zandarimariam-pirenena Malagasy. Tsy adino ihany ny koa ny fitaovana ho an’ny “police judiciaire”, izany hoe mpanao ankety miasa ao amin’ny Toby Ratsimandrava sy ireo sampam-pikarohana momba ny heloka bevava amin’ny faritany enina. Nisaotra manokana ny masoivoho Véronique Vouland-Aneini, tonga teny an-toerana sy ny fanjakana frantsay manontolo ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, jeneraly Andriamahavalisoa Girard. Ny zandarimaria dia betsaka ny mpiara-miasa amin’ny Frantsay noho ny antony ara-tantara. Avy amin’ny frantsay no nisian’ny zandarimaria, ny tany voazanany ihany no misy ny zandarimaria, hoy ity tompon’andraikitra ambony ity. Ny Frantsay ihany matetika no manome fitaovana fa ny olona hafa izay tsy misy zandarimaria dia tsy afaka manome. Betsaka ny fanomezana efa fanaony isan-taona, ary indraindray aza in-droa isan-taona hahalavorary ny asan’ny zandarimariam-pirenena, hoy hatrany izy. Vavolombelon’ny fiaraha-miasa maharitra sy efa hatry ny ela ary ny tantara ifamatoran’ny tany roa tonta izao, hoy ny masoivoho Véronique Vouland-Aneini.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT