Fandriampahalemana

Fampiroboroboana fandriampahalemana Nandray ny “Peace camp” ny Lisea Rabearivelo


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Ho fanohizana hatrany ny fanabeazana ny ankizy sy tanora malagasy ho tia fandriampahalemana dia tontosa omaly tetsy amin’ny lisea Jean Joseph Rabearivelo ny hetsika “Peace camp”,

na fisindana ho an’ny fandriampahalemana izay niarahan’ity lisea ity sy ny fikambanana iraisampirenena momba ny fandriampahalemana na HWPL niasa. Raha tsy misy ny fandriampahalemana, tsy misy ny fandrosoana, hoy ny fanazavana, ka mila ampahafantarina ireo ankizy dieny izao hoe inona izany atao hoe fandriampahalemana izany. Endrika tsy fandriampahalemana aty an-tsekoly izao ny halatra madinidinika eo amin’ny samy mpianatra na ara-pitaovana io na vola sy ny toy izany. Ho fanampin’ny fanabeazana maha olompirenena any an-tsekoly noho izany dia ity lisea ity indray no nanaiky hiara-hiasa amin’ny rafitra iraisampirenena voalaza teo mba hanatontosana fanentanana ho fampiroboroboana fandriampahalemana tahaka izao, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT