Fampandriana fahalemana

Miova tanteraka ny paikady


  • Alarobia 19 Novambra 2025

Miova tanteraka ankehitriny ny paikady

ankapobeny momba ny politika fampandriana fahalemana manerana ny nosy, araka ny fampahafantarana nataon'ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny fampitàm-baovao voaray nivantana tamin'ny fahitalavim-pirenena ny alahady teo. Tsy hisy ny fampahafantarana mialoha ny hetsika fampandrian-tany ataon'ny Hery fiarovana sy fandriampahalemana raha toa ka ny politikan’ny serasera amin'ny haino aman-jery no hita nibahana nandritra izay fotoana izay, mialoha ny tena hetsika hatao. "Raha tianay dia efa manomboka mihitsy ny hetsika vao miteny amin'ny vahoaka malagasy izahay fa efa miparitaka any atsimo any ny miaramila amin'izao, miezaka miady amin'izay tsy fandriampahalemana izay", hoy hatrany ny Filohan'ny fanavaozana. Natomboka any atsimo izy izao. Efa tamin'ny zoma 14 novambra teo ny miaramila no tonga any an-toerana miparitaka manao ny hetsika. Mazava ny tanjona eto dia ny hisian'ny vokatra mivaingana azo tsapain-tanana ary hipaka eo anivon'ny fiarahamonina malagasy ny ezaka fampandriana fahalemana ataon'ireo mpitandro filaminana. Ao anatin'ny asa am-pahanginana, noho izany, ny hanantanterahan’ny mpitandro filaminana ny asany, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT