Fandriampahalemana

Famonoana zanaka mpanao politika Voasambotra ny olona 5 ahiana ho tompon’antoka


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Zazalahikely iray vao 10 taona monja antsoina hoe Allan no nisy namono teny Ilanivato Andavamamba ny alin’ny sabotsy 11 febroary hifoha omaly alahady.

Nandriaka tanteraka ny rà tao an-trano, ary raha ny sary niparitaka dia toa tahaka ny nokendaina izany ankoatra ny fandatsaha-drà. Zanak'i Rtoa Prisca izay filohan'ny VMF (Vondron'olona Miaro ny Fitondrana) sy filoha lefitry ny Tanora Mijoro ho an'i Madagasikara (TMM) ity nisy namono ity. Voalaza fa ny reniny mihitsy no lasibatr'ireo olon-dratsy izay niditra an-keriny tao an-tokatranony saingy tsy tao izy tamin'io fotoana io ka ilay zaza tsy manan-tsiny no maty vokatr'izany fanafihana izany. Asa na misy ifandraisany amin’ny politika na antony hafa. Raha ny siosion-dresaka dia resaka valifaty sy fifampidirana ara-bola mikasika fampidirana ho mpiasam-panjakana saingy ny mpitandro ny filaminana moa no afaka hanamarina na handiso izany? Efa eo am-pelantanan’ny Mpitandro ny filaminana rahateo ny raharaha, ary raha ny fampitam-baovao nataona manam-pahefana iray omaly, dia efa misy olona miisa 5 nosamborina ahiana ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Na inona na inona antony, tsy mety ary tsy azo ekena ny fandatsahana ain’olombelona, indrindra fa zaza tsy manan-tsiny tahaka izao. Mankahery ny fianankaviana namoy zanaka, ary irariana mba ho tratra sy hizaka ny vokany ny tompon’antoka tamin’ny zava-doza tahaka izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT