FAMONOANA VEHIVAVY IRAY TAO IKONGO

Sakaizany taloha ihany ilay iray, roa hafa voasambotra


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Vehivavy iray no lasibatra tamin’izany izay nihosin-dra tokoa. Nirotsaka nanao fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ka fantatra fa lehilahy miisa 3 no voarohirohy tamin’ilay famonoana. Ny Zoma 16 May lasa teo izy ireo no voasambotra ka fantatra fa lehilahy efa niaraka tamin’io vehivavy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana io ihany ny iray. Mbola nahatrarana fitafiana nihoson-drà tany amin’ity farany. Niaiky ny iray tamin'izy ireo fa anisan’ireo namono an’ilay vehivavy tokoa. Tanana natao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana eo anivon'ny Kaomisarian'Ikongo ireo voarohirohy hatramin’ny omaly Alahady 18 May ka hiakatra fampanoavana anio Alatsinainy raha tsy misy ny fiovana.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy voaroiroy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT