FAMONOANA tovovavy kely 5 taona

Olona 03 no naiditra am-ponja, ny 02 ao Tsiafahy


  • Zoma 29 Novambra 2024

Olona miisa 3 hatreto no fantatra fa naiditra am-ponja taorian’ilay famonoana zazavavy kely vao 5 taona

monja tany Anjoma Fianarantsoa. Ny 02 amin’ireo dia nalefa eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy avokoa izay samy lehilahy raha tazonina ao amin’ny fonjan’Ankazondrano Fianarantsoa ny iray. Eo ambany fanarahi-mason’ny Fitsarana kosa ny iray ambiny raha miisa 04 ny tontaliny. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny Alahady 17 Novambra lasa teo no nanjavona tsy hita ity zazavavikely 05 taona ity. Ny ampitsonin’iny vao hita ny vatana mangatsiakakely izay efa nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty gony ary nariany teny amin'ny dabam-pako teny Anjoma Fianarantsoa ihany. Olona tsara sitra-pomoa no tonga nitoroka teo anivon'ny Kaomisaria Foibe ao Fianarantsoa nilaza ho nahita ny zava-niseho. Afak’omaly Alarobia 26 Novambra izy ireo no nohenoina teo anatrehan’ny Fitsarana.
Pati
Legende : Ity ilay tovovavy kely sy ireo roalahy namono azy nalefa eny Tsiafahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT