Famonoana teratany vahiny

Sosotra mafy ireo Koreanina eto Madagasikara


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Tontosa omaly teny amin’ny Fasan’ny Karana ny fandorana ireo teratany Koreanina tao Dobon'i Tanjaka,

fokontany Marovoay, kaominin'i Morarano Gara, distrikan'i Moramanga ny alin'ny zoma 21 febroary hifoha ny sabotsy. Naneho ny alahelony sy ny fahasosorany ireo Koreanina eto amintsika omaly. « Na inona na inona ataonareo dia mba mangataka izahay ny hanatrarana izay olona nahavanona izao zava-doza izao. Ny Koreanina eto Madagasikara dia tsy hamela an’io ho vita mora fa hiasa ary hangataka fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana Malagasy hahatrarana izay nanao ny ratsy », hoy Filohan’ny Fikambanan’ireo Koreanina eto Madagasikara. Tsy hipetra-potsiny ireo Koreanina sy ny masoivohony eto. Raha hiverenana, 7 lahy nitondra basim-borona iray no nanafika ny orinasan'izy ireo (mpamboly macadamia), ka namono ireo mpianaka 88 taona sy 58 taona. Voalaza fa nalaina ny vola 3 000 000Ar, araka ny vaovao tsy ofisialy sy vonjimaika. Nahitàna vodim-bala calibre 12 anankiroa teo an-toerana. Efa natolotra ny vola kanefa mbola nododaina tamin’ny vato ny iray. Ny mpamily no niantso ny mpitandro ny filaminana, ary ny zanany vavy no nampandre ny masoivohon-dry zareo eto, raha ny fanampim-panazavana. Mpilatsaka an-tsitrapo na « missionaires » tonga hampiofana amin ny fambolem-bary ireo novonoina ireo, ary vao avy nividy na nanofa tany 40 ha sy nanafatra fitaovana maro voalaza fa efa tonga eto Madagasikara. Miteraka laza ratsy ho an’i Madagasikara indrindra amin’ny lafiny fampiasam-bola sy fandraharahana na « climat des affaires » no tahaka izao, mametraka antsika ho Firenena atahorana sy mampanahy amin’ny fiarovana ireo vahiny. Manampy trotraka izany ny laza ratsy amin’ny lafiny kolikoly, tsy fanajana zon’olombelona, Fanjakana ratsy tantana,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT