Fandriampahalemana

Famonoana Tale Epp sy ny zanany Tovolahy iray no efa nosamborina omaly hariva


  • Zoma 10 Martsa 2023

Tovolahy iray ahiahiana ho nahavanon-doza tamin’ny famoana ny talen’ny EPP ao Antanimena, kaominina ambanivohitra Manakambahiny Andrefana,

distrikan’Ambatondrazaka sy ny zanany vavikely vao 7 taona monja no efa nosamborina omaly hariva. Raha tsiahivina kely ny tantara dia feno dian’antsy ny tenan’izy mianaka ireto. Ilay zazavavy hita tao an-dakozia niaraka tamin’ny tongotra keliny efa misandrahaka. Hita tao amin’ny efitrano lehibe kosa ny Reniny, saingy tsy nisy nokitihina ireo firavaka nampiriminy tao an-trano fa ny aina ihany no nalan’ireo jiolahy. Efa tamin’ny alarobia moa no tsy hitan’ny olona teo amin’ny manodidina izy mianaka ireto. Nihevitra ny rehetra fa namonjy ny fankalazana ny datin’ny 08 Martsa izy ireo. Gaga anefa ny olona fa mbola tsy hita ihany izy ireo omaly maraina, antony nanosika ny Renim-pianakaviana iray hamoha ny varavarana rehefa nahita zanaka lakile teo an-tokontany. Mbola nihidy gadana avy any ivelany avokoa mantsy ny efitrano nisy azy ireo. Niantso fitoniana ho an’ny rehetra araka izany ny Ben’ny tananan’i Manakambahiny. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka mantsy ilay tovolahy. Nilaza izy fa efa misy ny couvre feu napetraka ao an-tanana hahafahana mitandro ny fandriampahalemana.
Pati
Legende : Niara-namoy ny ainy izy mianaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT