FAMONOANA SINOA TENY 67HA

Ireo mpiasa roalahy tao ihany no tompon'antoka


  • Alarobia 24 Septambra 2025

Voasambotry ny Polisy misahana ny heloka

bevava Anosy ny 20 Septambra teo ireo lehilahy roa voarohirohy ho namono nahafaty tera-tany sinoa mianadahy tompon'ny restaurant Vénus 67ha ny 11 Septambra teo. Raha tsiahivina dia ny 15 Septambra teo no nahitana ireo razana roa tao amin’ilay trano fisakafoanana ihany. Taorian’ny fikarohana lalina nataon’ny Polisin’ny BC dia tratra ireo lehilahy roa, izay samy mpiasa tao amin'ilay trano fisakafoanana ihany ny Sabotsy 20 Septambra teo.Ny iray voasambotra ny maraina teny Ivato raha tratra ny harivan’iny ihany tany Ambanivohitr'i Manakara ny iray. Niaiky moa izy roalahy ireto fa tompon'antoka tamin'ity vonoan'olona ity ka fangalarana vola tao an-tsena niampy lonilony nisy teo amin'izy ireo sy ny mpampiasa no anton'izao fihetsika izao. Mbola nisy tamin'ny ny ampaham-bola nangalarin'izy ireo no tratra teny aminy nandritra ny fisamborana nataon'ny Polisim-pirenena. Ho atolotra ny fampanoavana anio izy roalahy ireto rehefa vita ny famotorana savaranonando hataon'ny Polisim-pirenena.
Pati
Légende : Ireto izy roalahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT