Fandriampahalemana

Famonoana pastera tany Miarinarivo Ny zanany sy ny zafikeliny ihany no nahavanon-doza


  • Talata 24 Novambra 2020

Tambazotran-jiolahy iray ahitàna jiolahy miisa 15 no saron'ny vondron-tobim-

 

 


paritry ny zandarimariam-pirenena ao Miarinarivo, namono pastera iray tany an-toerana sy nangalatra.Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny alin'ny 10 novambra lasa teo no notafihin’izy ireo ny tokantrano iray tao Anorankely Fokontany Anorambe Kaominina ambanivohitra’Ambatomanjaka distrikan’i Miarinarivo.Lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny vola mitentina1.000.000 ariary .
Ankoatra izay dia namoy ny ainy ihany koa ilay pastera tompon-trano. Rehefa nataon'ny zandarimaria ny fikaroham-baovao dia jiolahy miisa 12 no voasambotra, raha mbola karohina kosa ny 03 ambiny. Niaiky ny heloka vitany izy ireo ary efa fantatra ihany koa ireo 03 mbola mirihariha any ho any. Lonilonim-pianakaviana momba ny famarotana lova moa no anton’ny fanafihana, ka ny zanak’ilay pastera sy ny zafikeliny ihany no nahavanon-doza.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT