Famonoana ny ben’ny

tanànan’Andranomiely Olona miisa 9 no hiakatra fampanoavana


  • Talata 23 Janoary 2024

Olona miisa 9 no hiakatra fampanoavana na “parquet”

anio talata 23 janoary 2024 mikasika ilay raharaha famonoana ny ben’ny tanànan’Andranomiely, distrikan’Ankazobe, nitranga ny 7 janoary teo tany an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray. Mpitandro filaminana ny 5 amin’ireo, sefom-pokontany 2, ary vehivavy ny 2 izay olon-tsotra. Vokatry ny fanafihan-dahalo voalaza ho nanao fanamiana mpitandro filaminana ary am-polony nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika nanafika ity tanàna voalaza teo ity moa, raha tsiahivina, no naha lavo ity ben’ny tanàna ity. Vono olona an-kitsirano fotsiny izao, dia ilay ben’ny tanàna, no nataon’ireto olon-dratsy ireto fa tsy nisy na inona na inona nalainy, raha ny tsiahim-baovao hatrany.
EFA FANTATRA IREO OLON-DRATSY…
Nampiahiahy ny fianankaviana ny fisiana miaramila natory tao amin’izy ireo tamin’io fotoana io, izay nomarihin’izy ireo fa afaka nitifitra kanefa tsy nanao izany. « Fantatra tsara satria voamarina tamin’ny alalan’ny findan’ilay dahalo maty fa naman’i Yarisy (efa maty) atidohan’ny asan-dahalo tany amin’iny faritra Ankazobe sy tany amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny no atidohan’ity famonoana ity », hoy kosa ny mpitandro filaminana. Efa anatin’ny fikarohana azy izahay, ary miandry ny vokatra isika, hoy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Tsy ny famonoana ireo mpitandro ny filaminana ihany noho izany no maha voarohirohy ireo olona 9 raha ny fanazavana fa eo ihany koa ny tsy fandriampahalemana amin’ny ankampobeny. Voalaza fa iray tarika tamin’ireo nandoro tanàna ka nahafatesana olona 32 tany Ambolotarakely tamin’ny 29 jolay 2022 ihany koa no nanao an’ity famonoana ben’ny tanàna ity.
J. Mirija/ Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT