Famonoana ny ben’ny

tanànan’Andranomiely Niampy 24 ireo nidoboka am-ponja


  • Zoma 09 Febroary 2024

Olona 24 indray no nosamborina ka nampidirana am-ponja vonjimaika tamin’ny

raharaha famonoana ny Ben’ny tanànan’Andranomiely anatin’ny distrikan’Ankazobe, araka ny fampitam-baovaovaon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any an-toerana. Raha tsiahivina ny zava-misy, dia maty notofirin'ny dahalo tao an-tokatranony io ben’ny tanàna ion y 7 janoary lasa teo. Voampanga 08 nahitana miaramila 5, lehiben'ny Fokotany, olo-tsotra no efa nampidirana am-ponja vonjimaika tamin'izao raharaha. Nitohy ny fanadihadiana nataon'ny Compangie Gendarmerie Nationale Ankazobe, miaraka miasa akaiky tamin’ny Section de Recherche Criminelle Gendarmerie Fiadanana ka olona 24 hafa indray nosamborina. Isan'izany ny Lefitry ny Ben'ny Tanana tao an-toerana izay ahiahiana fa atidoha nikotrika ny famonoana. Nenjehina ho mpiray tsikombakomba tamin'ny famonoan' olona nomaniny na « complicité d'assassinat » izy 24 ireo, hoy ny fampitam-baovao. Vokany, noatazomina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny lehilahy 15, Lehilahy iray (01) sy vehivavy 07 kosa ao amin'ny Fonjabe Ankazobe, vehivavy iray (01) no natao fanaraha-maso ara-pitsarana. Sazy asa an-terivozina mandra-pahafy no voafaritry ny lalàna amin'ny fanenjehina toy itony raha voafaritry ny Fitsarana ady bevava ny mahameloka ny Voampanga. Mitohy hatrany ny famotorana ny raharaha eo anivon'ny Mpitsara Mpanao famotorana eto amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Ankazobe, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT