FAMONOANA MPIANAKA TAO BELOBAKA

Olona 10 nalefa any am-ponja


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Naiditra am-ponja vonjimaika ny 03 septambra 2024 teo ireo olona folo miisa 10 voarohirohy

tamin'ilay raharaha vono olona izay nahafatesana olona mianaka tany Benonika Kaominina ambanivohitr’i Belobaka, distrikan’i Tsiroanomandidy rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy niady nandritra ny fisotroan-toaka tao Moraranokely Fokontany Morarivo kaominina Miandrarivo ny 10 Jona teo ka nahafaty an'i Fredo izay monina ao Tsaratanana Andasipiké kaominina Antsahalava. Fantatra fa tompon'antoka tamin'izany i Rajoso izay naratra ihany koa. Ny 11 Jiona dia tezitra ireo fianakavian'i Fredo ka nitarika fokonolona maro nisakana ny fiara nitondra an-dRajoso sy ny zanany antsoina hoe : Daniel hihazo ny hopitaliben’i Tsididy (CHRR) hanohy ny fitsaboana azy. Vokany, matin'ny vono sy ratra feno habibiana nataon'ireo andian'olona maro nirongo basy sy zava-maranitra izy mianaka. Tsy voasakan'ny mpitandro filaminana ny zava-nisy noho ny fitandroana ny tsy hisian'ny rà mandriaka eo amin'ireo fokonolona marobe. Noho ny ezaka izay nataon'ny Kaomandin'ny vondron-tobi-paritr’i Tsiroanomandidy izay niarahana tamin'ny EMMO/REG Bongolava nefa dia tratra izy ireo, izay isan'ny tompon'antoka tamin'iny tranga iny ary izao nalefa any am-ponja vonjimaika izao. Ny taoka no nahatonga azy ireo tratran’ilay tendrom-po tsy mba namana noho izany ka nitondra azy any am-ponja !
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo fokonolona nalefa eny am-ponja ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT