Famonoana mpianaka tao Ambohimandroso

Olona roa no ahiahiana ho tompon’antoka


  • Talata 12 Septambra 2023

Olona roa hatreto no ahiahiana ho tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Claudia na i Koly izay vao 30 taona monja

niaraka tamin’ny zanany lahikely iray vao 3 taona sy tapany, tranga niseho tao Ambohimandroso, distrikan'Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra ny faran'ny herinandro lasa teo. Ny iray voalohany dia olona mpifanerasera akaiky aminy avy ao an-toerana ihany izay nanana olana taminy hoy ny loharanom-baovao azo ary namoaka vava ratsy taminy mialohan'izao nahafatesan’izy mianaka izao. Faharoa ny vadikelin’ny vadiny. Raha araka ny vaovao azo hatrany dia efa nanao vava sy nifofo ny ain'izy mianaka ihany koa ity farany talohan'izao tranga izao ary efa nitsikilo ny toeram-ponenan'ireo niharam-boina mihitsy mihitsy. Nahitana tsindron'antsy telo ny tendan'i Claudia na Koly, ary ratrabe 1 teo amin’ny lohany. Ilay zanany lahy kely 3taona sy tapany kosa nokendaina tamin'ny lamba ka sty afa-nigiaka intsony. Ny marainan’ ny Alahady 10 Septambra teo moa vao hitan'ireo fianakaviany ny vatana mangatsiakan’izy mianaka raha voaroba ihany koa ny vola matiny tany anaty poketrany tamin’ny Sabotsy teo. Mpivarotra akanjo mantsy no asan’i Koly ary mandeha maraina izy isan’andro ka tsy miverina raha tsy amin’ny hariva. Any Behoririka izy no maka entana. Mbola nahitana soratra tamin’ny marker koa teo amin’ny rindrin’ny tranon’i Koly mianaka izay mbola nampitandrina sy nanao vava hoy ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Alevina rahampitso Alarobia izy mianaka kely ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT