Famonoana ireo tovovavy roa

Namany akaiky no atidoha…


  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

Mihazakazaka ny fikarohana ny

nahavanon-doza tamin’ny raharaha famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’ireo tovovavy roa dia Stéphanie 17 taona sy Haingotiana 22 taona, izay nanjavona ny 21 aogositra rehefa niala teny an-tranony teny Manjakaray hijery sinema, ary hita faty teny Ambohimangarova ny 23 aogositra. Olona maromaro no atao fanadihadiana amin’izao momba ity raharaha ity. Olona 4 kosa no tena ahiana ho tompon’antoka amin’ny raharaha. Ahitana naman’izy roa vavy sy naman’ny naman’izy ireo ihany, ka tazonina eny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava na Brigade criminelle Anosy ny telo amin’izy ireo ary eny Ankadilalana ny iray, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao omaly. Ny alahady teo dia efa nisy voasambotra, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo hafa. Nisy ny antso fijoroana vavolombelona nilaza fa homen’ny Fanjakana 50 000 000Ar izay manome loharanom-baovao, saingy notsipihina tamin’ny filazaom-baovao teto amin’ny Tia Tanindrazana fa tsy ofisialy. « Influenceur » iray amin’ny tambajotran-tserasera no nilaza omaly izy no namorona sy nanaparitaka an’ilay « Appel à Témoin » niresahana 50.000.000Ar fa tsy nisy nidiran’ny Fanjakana. « Niparitaka be teto amin’ny Facebook ilay izy ka olona nanam-baovao nanantena ilay valisoa no nanantona ny mpitandro Filaminana, ka nahafahana nanara-dia sy nisambotra aingana ireo olon-dratsy. », hoy i Charles Rahar, izay nilaza fa afaka mitsara sy mitsikera azy ny rehetra hoe hoe nety na tsia ny nataoko, fa tsy misy haneneny izay vitany raha izay no nahazoana vaovao momba ireo olon-dratsy tao anatin’ny fotoana fohy. Misy mahatsara azy raha izay tokoa no nahitana ny vokatra, saingy mety tsy handaitra intsony raha sanatria mbola misy ny tranga toy izao any aoriana. Tsy mbola nisy ihany koa na izany aza ny filazana ofisialy ny andinindininy mikasika ny fomba ny nahatrarana ireo voarohirohy. Mbola baraingo tanteraka kosa ny antony namonoana azy ireo, izay voalaza fa nampijaliana nialohan’ny nanaperana ny ainy, ary niharan’ny herisetra ara-nofo ny iray. Ny fanadihadiana no mety hamaritra ny tena antony, saingy isan’ny heverina fa mitera-doza sy mila fitandremana be ny fikirakirana tambajotran-tserasera, ny fifanaovana fotoana sy fiarahana amin’ny olona tsy mahazatra, ny naman-dratsy,… indrindra fa ho an’ireo tovovavikely eo anatrehan’ny fitsiriritana sy teti-dratsy miainga amin’ny fampiresahana sy fifampiresahana amin’ny tambajotran-tserasera toy ny Facebook. Mila fitandremana be ihany koa ny famoahana ny fiainana manontolo na sary na zavatra hafa mety hiteraka eritreri-dratsy amin’ny sasany,…
Toky R

 

 

 

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT