Fandriampahalemana

Famonoana CB sy Ben’ny tanàna Olona 13 no voapaingotra


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Nanova paikady nentina nikarohana ireo atidoha nikotrika tamin’ny fitifirana ny kaomandin’ny zandary tao Befandriana avaratra sy ny Ben’ny tanànan’i Belanona, ireo zandary tany an-toerana,

 

 

 

 

ka nody ventiny ny rano nantsakaina. 13 no voapaingotra ary notazonina nanaovana fanadihadiana izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela aorian’ny fakana am-bava azy ireo. Tsiahivana fa herinandro vitsy lasa izay, dia notafihan’ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana ny mpandraharaha sinoa iray, ka voaroba tamin’izany ny vola 60 tapitrisa ariary. Naharay antso vonjy ny mponina sy ny Ben’ny tanàna ny zandary tao Befandriana avaratra, ka nidina tany amin’ny toerana nisehoan’ny fanafihana. Nisy ny fifandonana tamin’ireo jiolahy, ka maty voatifitry ny zandary ny iray tamin’ireo mpanafika. Naratra kosa ny Ben’ny tanàna sy ny kaomandin’ny zandary, ka nentina niakatra taty an-drenivohitra notsaboina. Namoy ny ainy ny Ben’ny tanàna, rehefa nanaraka fitsaboana andro vitsy taorian’izay. Toy izay koa ny kaomandin’ny zandary. Niroso tamin’ny fikarohana ireo jiolahy, ireto farany, ary izao nahasamborana olona 13 izao.  Vola 20 tapitrisa ariary no hita tany amin’ireo jiolahy tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT