FAMONOANA AN’I TAHINA

Tratra ireo tovolahy 2, atidoha tena tompon’antoka


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Tratra ireo tovolahy miisa 2 tena tompon’antoka tamin’ny famonoana an’Itompokolahy Tahina Randriamahefa

tao Ambolomadinika Toamasina ny datin’ny 04 Martsa lasa teo. Tratra tao Tsarakofafa ilay iray vao 23 taona monja ny Zoma 14 Martsa teo. Tany Tetezambaro kosa no tratra ny iray 21 taona rehefa niafina tany Fenoarivo Atsinanana nandritra ny andro maromaro. Rehefa nanontaniana ny tena antony namonoany an’Itompokolahy izy ireo raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana dia nilaza fa namaly ny fanendahana nataony i Tahiana ka niteraka fahasorenana ho azy ireo. Na izany aza dia tsy nanaiky ireo havan’Itompokolahy. Amin’izy ireo mantsy dia nisy naniraka izy roalahy ireto ka takian’izy ireo ny hivoahan’ny tena marina. Olona efa tonga tao an-trano ary nivoaka nividy yaourt Itompokolahy no nambaran’izy ireo fa nendahina ary notsatotsatohana tsy nananana hantra tamin’ny antsy. Mbola miantso ny Fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana hikaroka ny tena marina araka izany ny fianakavian’ny maty. Raha araka ny loharanom-baovao farany moa dia efa navotsotra avokoa ireo olona miisa 8 voarohirohy tamin’ity raharaha vono olona ity.
Pati
Legende : Sady namono olona no nanimba ny fiainany izy roalahy ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT