Famonoana an’i Raissa

Olona iray tazonina, tsy nanana lonilony taman’olona ny havany


  • Talata 13 Mey 2025

Mbola tsy nisy tranga nampalahelo sy nampivarahontsana tahaka ny namonoana

an’Itompokovavy kely Raissa tao amin’ny Fokontany Antohomadinika Atsimo IVO hatramin’izay hoy ny sefom-pokontany ao an-toerana. Nilamina hatrany ny tanana hoy izy na dia misy aza ny indrokely indraindray. Hisy araka izany ny fepetra horaisin’izy ireo miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana. Hisy ny fanaraha-maso ny elakelantrano rehetra amin’ny alalan’ny fisafoana noho izany raha vantany vao hariva ny andro. Tsiahivina moa fa very tsy hita ny Sabotsy 10 May hariva teo i Raissa. Afak’ omaly Alahady tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany vao hita ny vatana mangatsiakany nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty gony ary nariany tany anaty dalle misy maloto, izay foseptikan’i Bebeny ihany. Fomba nahitana ny vatana mangatsiakany raha araka ny loharanom-baovao azo ny fanateran’ny namany niara-nanao tso-bato farany tamin’i Raissa taratasy tao an-tranony izay nilaza fa eo ampita ao anaty dalle no misy ilay zaza efa maty. Tsy fantatra na sora-tanan’iza izany na sora-tanan’iza izy io izay mbola hanaovan’ny mpitandro ny filaminana fikarohana. Efa tsy nisy akanjo intsony moa teny amin'ny vatan’io zaza fa niboridana tanteraka izy hoy Rtoa Marianne Reniny ka tsy fantatra intsony na sanatria voaolana ihany koa na tsia. Fantatra ihany koa moa fa nisy ny taratasy tao anaty gony nisy ny razana milaza fa "vita ny valifaty" ary mbola hiampy roa ireo olona hovonoin’ireo mpanao ratsy. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity. Miantso fifampiresahana ny Renin-dRaissa manoloana izany. Notsiahiviny moa fa tsy manana kakay na olana amin’ny olona eo an-tanana izy ireo. Olona iray moa no voalaza fa tazonina vonjimaika hanaovana fanadihadiana amin’ity raharaha ity. Alevina anio ny razana, raha ny fantatra. Ny tena mampalahelo amin’ny tranga tahaka itony dia na inona na inona mety ho adin’ny samy lehibe na fankahalana dia ny ankizy tsy manan-tsiny ve no hanamparana habibiana tahaka izao ? Misesy ny famonoana zaza tsy ampy taona amin’ny fomba feno habibiana ao amin’ny 67 ha.
Pati Legende : Ilay zaza tsy manan-tsiny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

  • Tsiroanomandidy Ville
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Voasambotra ireo jiolahy

  • MAHAJANGA
  • Talata 14 Aprily 2026

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

Hijery ny tohiny
FTT