Famonoana an’i Olivier

Razafotanorazana Malagasy 2 lahy nosamborina sy arahi-maso ao Maurice


  • Alarobia 12 Martsa 2025

Lanonana fankalazana tsingerin-taona nahaterahana niafara tamin’ny famoizana aina

no azo hamintinana ny tranga mahakasika Vondrona teratany Malagasy tao amin’ny tora-pasik’i Pointe-aux-Sables atsy Maurice ny alin’ny 09 martsa 2025 teo. Namoy ny ainy nandritra izany vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy i Oliver Razafotanorazana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Chief Police Medical Officer, dia ratra mafy teo amin’ny fo no nahafaty azy, hoy ny tatitry ny fampahalalam-baovao Maorisianina Lexpress.mu. Vehivavy Malagasy iray, 37 taona, no nanatri-maso ny loza. Raha nanontany momba ny findainy very izy, dia nilaza i Nirina Bernard Andriamanantena fa tsy nisy mpangalatra teo aminy, ka nanomboka nanao herisetra tamin’ilay vehivavy. I Oliver Razafotanorazana kosa niezaka nanasaraka, saingy nodarohan’i Nirina sy Harena Rakotomanantsoa izy, ka avy eo dia voatsatoka antsy teo amin’ny tratrany. Nahavita nangataka fanampiana ilay vehivavy, ka nentin’ny namany tany amin’ny hopitaly Dr. A. G. Jeetoo tao Port-Louis i Oliver, saingy efa lavo tsy nisy aina noho ny tonga tany. Ny polisy avy amin’ny Field Intelligence Office (FIO) sy ny Criminal Investigation Division (CID) avy eo no nisambotra an’i Nirina sy Harena. Samy navotsotra arahina fepetra izy roa lahy, saingy voatery manao fanamarinana isan’andro ao amin’ny tobin’ny polisy Eau-Coulée. Voalaza fa efa voasambotra niaraka tamin’ny mpampiasa azy izy roalahy ireo tamin’ny taona 2019 noho ny fahafatesan’i Mohammad Abouswaley Futta, lehilahy 54 taona mpivarotra akoho amam-borona. Nodarohan’izy ireo noho ny trosa tsy voaloha, ka avy eo dia maty noho ny olan’ny fo na « crise cardiaque », hoy ny tatitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT