FAMONOANA AN’I NTSOA VHF

20 taona sazy mihatra ny an’ilay mpamily, 7 taona ny an’ilay vehivavy


  • Zoma 01 Desambra 2023

Nivoaka omaly Alakamisy 30 Novambra ny didim-pitsarana mikasika ilay raharaha famonoana an’i Ntsoa

ao amin’ny tarika VHF izay nisy namono , volana maromaro lasa izay. 20 taona sazy mihatra ny an’ilay mpamily nanindrona antsy azy raha 7 taona sazy mihatra kosa ny an’ilay vehivavy niaraka taminy. Afaka madiodio ilay vadin'i Ntsoa noho izany. Afaka noho ny fisalasalana kosa ireo olona telo hafa notanana am-ponja vonjimaika. Tsiahivina moa fa efa ela no nangataka ny mba hivoahan’ny didy mikasika ity raharaha ity ny fianakavian’i Ntsoa sy ireo namana aman-tsakaizany. Vita ihany izany ankehitriny, didy izay nambaran’izy ireo fa tena nankininy tanteraka tamin’ny fahendren’ny fitsarana. Ilay hira tsapako tena mamy, moa raha tsiahivina no hira nampahalaza an’Itompokolahy Ntsoa faramparany izay niarahany tamin’ilay vehivavy nahazo sazy mihatra 7 taona an-trano maizina io.
Pati
Legende : Na efa nody vovoka aza i Ntsoa dia mbola mipetraka ho fahatsiarovana foana ny hira nohirainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT