FAMONOANA AN’I KOLY MIANAKA

Tafakatra 3 ireo voasambotra, anisany ny vadiny


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Mihazakazaka ny fikarohana ire olona nahavanon-doza tamin’ny famonoana an’i Claudia na i Koly ilay tovovavy vao

30 taona monja sy ny zanany vao 3 taona sy tapany novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tany Ambohimandroso, distrikan'Antanifotsy ny faran’ny herinandro teo. Olona miisa telo hatreto no efa voasambotra hoy ny vaovao ka anisan’ireny ny vadin-dratompokovavy, 59 taona, izay ahiahian'ny fianakaviany voalohany amin'ity raharaha ity. Nalefa haingana tany Antanifotsy moa ity farany tamin’ny Alahady teo nisoroana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka. Efa voasambotra ihany koa lehilahy miisa 2, izany ny iray 34 taona, tonga nitsapa alahelo ny fianakaviana mana-manjò. Ny iray kosa 31 taona, nalain'ny zandary tao am-piandrasam-paty izay efa niasa tao amin-dratompokovavy mianaka ihany. Andrasana moa ny mety ho tohin’ny raharaha fa ny hany hafatra sy anatra ho an’ny rehetra dia tsy tsara loatra ny mahatoky olona diso tafahoatra. Mivady ho fankahalana ihany koa ny fitiavana rehefa tsy mety ny hatao koa aleo samy mitandrina tsara.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa any amin’ny varo tsy mifody izy mianaka kely ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT