FAMONOANA AN’I JULIANNA KELY

Ahian’ny fianakaviana ho valifaty


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Mbola tsy misy olona ahiahiana hatreto mikasika ny nahafatesan’i Julianna kely,

ilay zazavavy kely vao 9 taona monja niara-niantsena tamin-dReniny tetsy Anosibe nefa nanjavona tampoka ny datin’ny 05 Aogositra lasa teo. Misy olona manana disadisa amin’izy ireo mantsy, raha ny fantatra. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Tsirisoa Julie Reniny anefa dia tena zaza hendry i Julianna kely sady mahay fianarana. Izy no vavimatoa ary efa saika vitany avokoa ny asa fivarotana sy ny raharaha ao an-tokantranony ary ny fikarakarana ireo zandriny roalahy kely. Tsiahivina moa fa mpivarotra legioma etsy Anosizato izy ireo. Nisy entana tsy azo tamin’io fotoana io ka nasain-dReniny niandry tamina toerana iray niaraka tamin’ny entana sasany i Julianna kely. Folo minitra teo anefa raha ela dia nanjavona ilay zaza ka ny 15 Aogositra vao hita tany Ampahimanga Arivonimamo ny vatana mangatsiakany izay efa voaolana no sady notapahina tamin’ny antsy ny tendany.
Pati
Legende : Julianna kely fahavelony
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT