Famonoana

an’i Haingotiana sy Stéphanie


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Lavon’ny bala ireo 4 lahy tompon’antoka

Voasambotra ireo efa-dahy tompon'antoka tamin'ny famonoana ireo tovovavy antsoina hoe Stéphanie sy Haingotiana ny alahady 23 aogositra teo, hoy ny fampitàm-baovao voaray ny alin'ny sabotsy teo, ary maty voatifitra rehefa nikasa ny handositra. Fantatra ireo efa-dahy voarohirohy tamin’ny fanolanana sy famonoana tamin’ny fomba feno habibiana azy roa vavy tao Ambohimanga rova. Voasambotra tsikelikely izy ireo nanomboka ny talata, raha ny fanazavana nentin'ny mpiandraikitra ny fanadihadiana. Sitraka, izay voalaza fa nitondra ilay fiara nampiasain’izy ireo, no tratra voalohany. Nitohy ny fanadihadiana, ka voasambotra ihany koa i Aldo, Larry, fantatra amin’ny anarana hoe Kevs, ary i Ntsoa. Araka ny fanazavana azo, samy niaiky ny fandraisany anjara tamin’ny raharaha izy efa-dahy. Nampiasa antsy sy «coup-de-poing américain » izy ireo nampijaliana sy namaranana ny ain'i Stephanie sy i Haingotiana. Porofo maro no voaangona nandritra ny fanadihadiana. Anisan’izany ny horonantsary voalaza fa nalain'ny iray amin'izy ireo nandritra ny nitrangan’ny fihetsika feno habibiana. Hita tao anatin’ilay fiara ihany koa ireo fitafiana, kiraro ary satroka nampiasain’ireo voarohirohy tamin’ny fotoana nanaovana ny fanafihana. Nandritra ny «reconstitution» na fiverenana nijery ny fitrangan'ny raharaha teny Ambohimanga Rova, izay fanao amina tranga tahak'itony ny sabotsy maraina teo no niezaka naka ny basy teny amin’ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo voarohirohy. Nanararaotra izany ireo telo hafa ka nikasa ny handositra. Nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy avy hatrany ny mpitandro filaminana hifehezana azy ireo. Tsy tana ny ain’izy efa-dahy, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT