Famonoana an-dRasazy Narindra

Maty ny tokony ho vavolombelona miisa roa


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Tohin’ny hetsika fampandriana fahalemana nataon'ireo mpitandro filaminana ka nahitana ny

fandraisana anjaran'ireo miaramila teo anivon'ny fari-piarovana sy filaminana Tsiafajavona, ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena tany an-toerana, dia lavo ireo dahalo roalahy anisan'ny nandray anjara ka nahafaty ny ben’ny tanànan’i Mangataboahangy tany amin'ny Distrikan'Ambatofinandrahana, herinandro lasa izay, hoy ny fampitàm-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Ireto dahalo voatifitra ireto dia nitazona fitaovam- piadiana maherivaika 1 na "Fusil d'Assaut" sy «boîte chargeur» 1 miaraka amin’ny bala miisa 3 sy basim-borona 1 na «fusil de chasse» hita tao amin'ny kaominina ambanivohitr’Itremo, distrikan'Ambatofinandrahana, izay nahasahy nanohitra ka niteraka fifandonana tamin’ireo hery fiarovana sy filaminana na "Forces de Défense et Sécurité" na FDS. Mitohy hatrany ny hetsika fampandriana fahalemana sy ny fitadiavana ireo olon-dratsy nahavanon-doza ato anatin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ataon’ireo mpitandro filaminana miaraka, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Miisa 2 aloha izany no lavo tamin’ireo neverina fa tokony ho vavolombelona hitoroka ny tena aditohan’iny famonoana ben’ny tanàna nitranga ny herinandro teo iny. Ny maty tsy miteny intsony, hoy ny fomba fiteny izay. Asa hoe hanao ahoana ny tohiny. Sanatria ho maty momoka tahaka ny raharaha Ratsimandrava ve?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT