Fandriampahalemana

Famoahana vary 44 taonina an-tsokosoko Lehilahy 6 no voasambotra tany Toamasina


  • Talata 22 Septambra 2020

Lehilahy miisa enina sy mpiambina amina orinasa iray, no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny Boriboritany voalohany Toamasina ny 20 Septambra raha nikasa hamoaka an-tsokosoko vary milanja 44 taonina avy amina toeram-pitahirizan’entana (entrepôt) iray tao Tanandava Toamasina.

 

 

 Tratran’ireo polisy ambodiomby ireto jiolahy ireto namoaka vary fotsy amin’ny gony avy tao amin’ity trano fitehirizan’entana ity ary nitatitra izany tao anaty kamiao lehibe miisa roa. Fantatra fa ilay mpiambina ity toerana ity ihany no niray tsikombakomba tamin’ireto jiolahy ireto ary nampiditra azy ireo tao amin’ilay toerana. Nentina namonjy ny biraon’ny polisy avy hatrany moa izy ireo natao fanadihadiana. Ireo vary 44 taonina dia naverina avy hatrany any amin’ny tompon’ilay orinasa .

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT