Famitahana sy fanolanana tovovavy iray

Sefom-pokontany ilay iray tamin’ireo telo tompon’antoka


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

Tovovavy iray 23 taona no nofitahina sy naolana lehilahy miisa telo, andro maromaro lasa izay teny Ambohidratrimo.

Nifandimbiasan'izy ireo io tovovavy io rehefa avy nofitahina tamin'ny alalan'ny kaonty vorondolo tao anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Nisandoka ho vazaha io kaonty vorondolo io ary nanao izay nambabo ny fon'ity tovovavy ity am-bolana. Efa tonga hatrany amin’ny fakàna vady mihitsy ny resaka nandritra izany. Rehefa nifanao fotoana izy ireo dia nilaza ilay nisandoka ho vazaha fa hanaraka ireo mpiasany ka hitsena ilay tovovavy amin'ny moto. Ny 15 Oktobra teo manodidina ny tamin'ny 09 ora alina no noentin'ilay moto ilay tovovavy. Rehefa tonga teo Andranotapahina anefa dia nisy roalahy niandry ilay moto ary efa nilanja tady izy ireo. Avy hatrany dia nataon'izy telolahy izay namatorana sy nampidabohana ilay tovovavy tamin'ny tany ary nanamparan'izy ireo ny filan-dratsiny. Efa nalemy sy naratra ilay tovovavy vao navelan'izy ireo. Filoham-pokontany ao anatin’ny kaominina Ivato moa ny iray amin’izy ireo izay marihina fa efa nalefa eny Antanimora tamin’ny datin’ny 02 Desambra lasa teo avokoa. Mbola hangatahin’ny fianakavian’ilay tovovavy moa ny handefasana azy ireo any Tsiafahy.
Pati
Legende : Efa maka saina any Antanimora izy telolahy ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT