Fandriampahalemana

Fametrahana ny fandriampahalemana Basy 921 tratra, vahiny 55 noroahina,…


  • Talata 16 Jona 2020

Novatsiana fiaramanidina fitaterana CASA iray, fiaramanidina kely CESSNA dimy, angidim-by efatra, fiara tsy mataho-dalana 140 ary moto amam-polony ny mpitandro filaminana ny taona 2019, araka ny tatitry ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny solombavambahoaka omaly.

 

 

 

Natsangana teo anivon’ny Tafika Malagasy ireo: Faritra Ambanivohitra mitaky fandriampahalemana maika (Zones Rurales Prioritaires de Sécurité na ZRPS) efatra Beholafy Mpiaro Atomotra na “Bataillon Opérationnel Avancé” dimy, ka nanorenana toby ao Tsaratanana, Iakora, Morafenobe, Ambatofinandrahana ary Ankilizato. Manodidina ny 15% hatramin’ny 90% ny fahavitan’ny asa amin’izany. Andiany Mpiaro Manokana na Détachement Spécial de Sécurité - DSS miisa efatra ao Vondrozo, Amboasary-Atsimo, Befotaka ary Ambohimahasoa. Nisy ny fanamboarana “Base réduite” tao Mananjary sy Farafangana, fanatsarana sy fanarenana fotodrafitrasa maro eo anivon’ny Tafika Malagasy maneran’ny Nosy. Fari-dranomasina roa no napetraka ho arovana avy hatrany na Zone Maritime Prioritaire d’Intervention – ZMPI dia ny Avaratra Atsinana sy Atsimo Andrefana hiadiana amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena,… Nihena 24% ny halatr’omby, nihena 49% ny omby very, basy tsy ara-dalana 811 no azo tamin’ny toerana maro any ambanivohitra ary maherivaika ny 31 tamin’izany. Aty an-drenivohitra dia basy miisa 110 no azo ary bala 495 no niaraka taminy. Taolam-paty milanja 228 kilao no sarona nandritra ny 2019. An-jatony kilao maro ireo vatosoa nokasaina aondrana an-tsokosoko no tratra, indrindra fa teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy-Be. Teratany vahiny 240 no naverina hody any aminy teny am-pahatongavana ary 55 no noroahina, 245 ireo tsy manana taratasy ara-dalana hipetrahana eto ka naverina any aminy. Hotohizana amin’ity 2020 ity ny ezaka, hoy ny Praiminisitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT