Fandriampahalemana

Fametrahana fandriampahalemana Miady amin’ny fakana an-keriny ny eny Alasora


  • Alarobia 08 Jona 2022

Betsaka ireo Ray aman-dReny no lasa mitebiteby fatratra amin’izao. Noho ny fisian’ireo mpaka an-keriny etsy sy eroa no mahatonga izany hany ka misy mihitsy ireo lasa manakarama olona hanara-maso ny zanany amin’ny fakana sy fanaterana.

Efa mandray ny fepetra mifandraika amin’izany ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano tarihin’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy. Raha araka ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety omaly dia tapitra nametrahana mpitandro ny filaminana avokoa ireo toerana stratejika rehetra ao Alasora. Mifanome tanana amin’izany ny polisy sy ny zandary ao Alasora, hotronin’ireo avy eto an-drenivohitra izay nisaoran’ity Ben’ny tanàna ity manokana ny fahatongavan’izy ireo mavitrika eny an-toerana isan’andro manao fisafoana ny tanana. Mba hiarovana ireo ankizy sy tanora mpianatra avokoa no anton’izany. Mety misy amin’ireo mpaka an-keriny mantsy no mitady lalana any amin’ireo tanana manodidina ny renivohitra indrindra fa ireo somary mangingina taorian’ny nandrenesan’izy ireo fa ho hentitra ny fanaraha-maso azy ireny eto an-drenivohitra ary ho henjana ihany koa ny sazy hiandry ireo tratra izay ny fanjakana mihitsy no hanafay azy. Miantso ireo Ray aman-dReny ao amin’ny faritra hiadidiany mba ho tony araka izany ny Ben’ny tanànan’Alasora Randriantsoa Jimmy manoloana ireo fepetra efa noraisiny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT